club-mg / ohabolana

Mpikabary \ Ohabolana

Home Page:https://club-mg.github.io/ohabolana/

Geek Repo:Geek Repo

Github PK Tool:Github PK Tool

ohabolana

Mpikabary \ Ohabolana

Uncategorized

  • Ny tsiny toy ny saonjo m'bazimba, babena mahafoladamosina, lolohavina mahasola, dakana maha folaka

  • Ny tsiny toy ny ora'mpanala, ...

  • Ny tsiny toy ny

  • Ny tsiny toy ny rivotra ankadilalana, mipaoka vao mandaitra ....

  • Mandia tany mety solafaka, miloloha lanitra mety ho lena

  • Raha ritra ny rano fasika sisa, raha vita ny trano fanaka sisa

  • Mpivaro-drano tratra orana

  • Ampongako no mihantona : raha manina aho, dobohako.

  • Aza manina an' Itrimondahy.

  • Izay tia, resy ; izay manina, adala

  • Kaikerim-poza maimay, afatotra manin-te hody

  • Kely manina, ka any an-doha no manetsetra

  • Kibo manina tsy mahatsiaro hanina.

  • Lahy antitra manina : hitsinjo tsy mahita, handeha tsy afaka.

  • Mitondra inon' iza moa aho izao no tsy hanao " manina azy " avy nandevina

  • Mody ny manina fa ny to-fo lasa-davitra

  • Ny olom-boky tsy manina, ny malahelo tsy mba liana.

  • Sakalava miankandrefana : tsy resy fa manina ny tany nahabe

  • Todiho fa manina, tsingereno fa tia.

  • Ny vilany no vaky, ny mpahandro no nimonjomonjo

  • Ny mita be tsy lanin'ny mamba

  • Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana

  • Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy

  • Ny olombelona toy ny omby, indray mandry fa tsy indray mifoha

  • Ny olombelona tsy maina, tsy lena

  • Aza mandraraka ilo mby an-doha

  • Tanora ratsy fihary ka maka kitay fotsy volo

  • Lohalika sy laferana, izay mandefitra no mandina

  • Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha

  • Aza manao tompony, mangataka atiny

  • Hataka @andriana, mahazo "Misaotra tompoko", tsy mahazo "Misaotra tompoko"

  • Rafotsibe mangataka omby: raha mahazo, manan-karena indray andro; tsy mahazo, ny omby angaha fangataka?

  • Boka mangata-pitahiana,zanahary hanome no anombanana totohondry

  • Voalavo anaty siny, boribory ny lanitra

  • Mangidy andro matetika andrenesana hoe marina entina mamadika ny marina

  • Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra

  • Rehefa manondro Volana ny hendry dia ny tanany manondro ihany no ho hitan'ny vendrana.

  • Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy

  • Ny vady dia toy ny fotaka an-tanana ka ho fehezina miporitsaka,hatao goragora hiala

  • Ataovy toy ny kitram-pirenena ka samy hiady mafy ho an'ny fandresena

  • Kanakana manotrona atodim-boay, tsy miantoka ny hahafoy fa tahotra ny rano iarahana mandro

  • Rafotsibe mangataka omby: raha mahazo, manan-karena indray andro; tsy mahazo, ny omby angaha fangataka?

  • Boka mangata-pitahiana,zanahary hanome no anombanana totohondry

  • Voalavo anaty siny, boribory ny lanitra

  • Mangidy andro matetika andrenesana hoe marina entina mamadika ny marina

  • Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra

  • Rehefa manondro Volana ny hendry dia ny tanany manondro ihany no ho hitan'ny vendrana.

  • Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy

  • Ny vady dia toy ny fotaka an-tanana ka ho fehezina miporitsaka,hatao goragora hiala

  • Ataovy toy ny kitram-pirenena ka samy hiady mafy ho an'ny fandresena

  • kanakana manotrona atodim-boay, tsy miantoka ny hahafoy fa tahotra ny rano iarahana mandro

  • raha tanora tsy hilalao dia aleo mody ho antitra, fa raha antitra tsy hampiady karajia dia aleo mody ho razana

  • sambatra izay itoerany fa ny nandalovany aza misento

  • Tehin-kiho ampiakarana, tsy haingo fa tohan' aina

  • akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana

  • ny akoho no tsy manatody in-droa ao anatin' ny iray andro dia ny fitsinjovana ny apitso

  • Ny soa atao levenambola ary ny ratsy atao loza mihantona

  • Ny faniriana lalina no mampanaonao foana fa ny fahadisoam-panantenana no mampiheritreritra.

  • Lomanom-boka ka tafita vao rendrika

  • Ratsy fisangy toy ny saka no alaimbolombava......

  • Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka

  • Aleo matanja-tsaina, fa ny sandry be tsy ilaina

  • Basy tsy mety velona, tapaho atao saosisy

  • ny tampoka tsy maha lehilahy, fa ny mahalehilahy tonga tampoka

  • mandiso fanantenana tahaka ny afrikanina milanja pecto

  • Fohy fa henjana tahaka ny rambon'omby tapaka

  • Rehefa manan-katao ny mpivady, atonta hehy, atonta hehy... rehefa tsy misy ny hatokona atonta ady, atonta ady...

  • Mpianatra samy mahay , ka mifanome formule diso

  • Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.

  • Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.

  • Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.

  • Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.

  • Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina

  • Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.

  • Raha tsy te-hanenina na hitomany,manaova ny marina hatrany.

  • Ny lafatra tsy misy fa ny ezaka no atao

  • Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra

  • Manaotao foana toa an'Andriamanitra nanao ny voay

  • Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra

  • Fihavanana tsy tiko ho rava no tsy anaovako trosa aminao

  • Tsakaranon'i Arivo ka aleo hilamina dia misesy

  • Aza matoky fahaizana fa,misy ny vitana sy ny anjara

  • ny anambadian-kiterahana, ny iterahana hodimby

  • Ny ahiahy tsy ihavanana

  • Tahaka ny dalle-n'Andavamamba, ririnina fitoeram-boalavo, fahavaratra fitoeram-pozaorana

  • Marary mahidy vava, very taniky aody.

  • Raporapon'ny lentiky mila vonjy.

  • ratsy tarehy be vody ,voninahitra ho an'ny fandriana fa henatra hoan'ny fiaraha-monina

  • Aza manao toy Ikala mpaka vadin' olona, mambabo ivelany fa devoly fanahy

  • Bingo manao matso ka misalovana ny anjaran' ny sasany.

  • Ratsy vintana toy ny PÔ, amanizana vao velon-kira

  • Ataovy toy ny fitiavan'ny vitsika, ny entina mavesatra nefa ny tena bitika

  • Vazo mitovy ihany va dia hita rano

  • Mpanjifan'ny RATP sy ny SNCF hono ka vita vakisiny amin'ny fahatarana.

  • Ny ela no maharay roa

  • Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony

  • Ny lefitra tsy amin-tody mampiray vahana ny fandeferana

  • Ny afo lavitra tsy mba azo amindroana (Ohabolana betsileo)

  • Maimaim-boantsilo ka mihinan-tsy mamafa

  • Ny teny toy ny voantsilo tsy afa-day: mamy fa sarotra entina

  • Tsy ahoanao inona izay vavan'olona any, zory andeha amin'ny fahamarinana hatrany ny fiainanao dia ampy

  • Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?

  • tafondro izany hoy ny feon'ilay jamba voatsapa

  • Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.

  • akanga mitindroka ambony vato, maty ny tendany.

  • Ratsy tarehy be vody tsy matahotra ny ho very zara

  • ratsy tarehy miady lehilahy tsy matahotra ny ho very anjara

  • Njola mangata-bady, ka ny rafozana no voatilitily

  • Aleo misoroka toa izay sorohina

  • Mahay roa hoatra ny lelan'omby,ka sandy any ambava no any ambody

  • Aza te ho deraina toy ny saka; ny tay totofana nefa ny vody tsy mifitra

  • Aza atao fitia varavarana; tiana ihany nefa atositosika

  • Velona iray fiangonana; maty iray paradisa

  • hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony

  • Arahabarahabao ny olona , fa tsy fantatra izay horafozanina

  • velona iray trano,maty iray fasana

  • Ny lesoka lesona, fa so ianao miesona

  • Ny fahafinaretana no tiana ho azo, ka izay nasaina atao lazaina fa mety.

  • Manalasala toy ny kamboty maditra, tiavina maniratsira ankalaina tsy misy mpihantra

  • Aza mba sarotra hiaraha-monina otran'ny Rafozan-tsarotiny

  • Ny fitiavana dia toy ny ody mahajamba

  • zavatra tsy ampy zaraina ka mifandefitra no mahatsara fihavanana

  • Ny fanatenana toy ny gitara vao namboarina ka raha maneno dia maravoravo.

  • Ny tsipelina diso toy ny akotry am-bari-masaka ka rehefa voatsako mahasosotra ihany.

  • aza manao olona be tsy miteny nefa mora tezitra

  • Zay Miala Moramora Tsy Midika Hoe Resy,fa Fagnajana Mba Tsy Hisy Adiady

  • Ataovy Hanatra Ho Anao Gne Vita

  • Na Miaina Eo Amin'ny Fotoana Sarotra Aza, Dia Miezaha Ihany Mba Ho Tafita

  • Ny Fahasambarana Eto An_tany Dia Mandalo Agnatine Fotoana Vitsy

  • Ataovy Zavatra Ho Anao Ny Zava_dratsy Teo Aloha, Mba Hanatsarana Ny Hoavy

  • Manaova Zavatra Mba Hitiavan'olona Anao

  • Aleo Manao Zavatra Vokatra Ny Fo Misy Tanjona Atao,toy Izay Manaonao Fotsiny Tsisy Dikany

  • Ny Alahelon'ny Olona Iray ,misy Vokany Eo Amin'ny Fiainanao

  • aleo maty ,toy izay mijaly

  • Anjely Tarehy Fa Devoly Fanahy

  • Bemolotra mihina-koba ka,tafiaraka samy matevina

  • Kamo be baiko, manafitohina ny efa manao

  • Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana

  • hala mamelatra fandrika am-baravarana, tsy mibahana ahy tsy hiditra fa mamandrika moka.

  • Zafimbahy vita asa: a-Moramanga magnala kaka.

  • ny teny toy ny rafbiriky na dia tsara rafitra tsy ilaozany zay tapaka

  • toko tapaka vilany mitongilana na be na kely fa izay mahita ny marina mba milazà

  • teny zato , kabary arivo fa iray iany no marina

  • Akoho mitsiri-bilany, mijery ny fasana ilevenany

  • Manalasala toy ny akoholahy lava sanga, arahabain-tsy andriana avela toa misatroka jaky

  • Manao fisotro labiera na be kibo any ka mandroatra atraminy tay

  • Bezano mihary: ny aomby raika ihany.

  • Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra

  • ny henatra tsy ahavitan-draharaha

  • Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.

  • Aza manao tohiny Hao andoha,loloavina nefa manaikitra

  • Ny velona arahim-potsibary ,fa ny maty arahin-damba mena.

  • Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.

  • ny vary tsy fotsy adidiny laona, ny zazaka adala adidiny Ray aman-dReny

  • Ny vary tsy masaka adidiny afo, ny lakan-tsitody adidiny fivoy.

  • Ny mahay vava tsisy hery

  • Aza manao lalitra tsy ho vorona,fa ny kely ihany no ho lasa lehibe

  • Ny mpanao pôlitika hono tahaka ny hao, izy lolohavina indray no manaikitra

  • Ny anaran-dray tsa afify

  • Ny tarana-by tsa mba mandavenona

  • Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay

  • Aza malahelo vaky vilany fa manakaiky an ' Ampanataovana

  • Mahita volana alohan-dRabiby.

  • aleo mifanalavitra mifamono akoho toy izay mifanakaiky mifamono aliaka

  • Na dia tiako aza ny trandraka fa zaho tsy hibaby zana-kiva

  • Manalasala tahakin'ny vady lava nify, atao eo aoriana, ohatran'ny hanaikitra, atao aloha, sahala ny mitsiky amin'ny mpandalo

  • Teny maro tsy mba kabary

  • Sopierabe an-dakozy,raha miroso anivo hamoaka ny masaka

  • Banga mihinam-boanjobory, any am-body vao milalao kanety

  • Aza manao fahanteran'alika ka antitra vao miha-gaigy.

  • Aza mandray tsy raisina toy ny tsipolitra.

  • Aza mora kivy fa dian-tana ny fiainana ka miroso tsikelikely.

  • Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.

  • Efa ho lava toy ny laingan'ny faritra sasany, avekeo mierina hoy izy nefa any izy dia tsy hita.

  • Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso..

  • Mandrimandry manana aretina tahaka ny didy maso tsara ondana.

  • Ny vava no tsy atao be,ny mamerina azy no sarotra.

  • Raha indray mandeha no manta vary,tsy handevin-tsotrobe.

  • Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.

  • Tsy misy tanora natao tsy hiavona, fa rehefa antitra miady lohalika.

  • Tsy misy izay tsy ho kamboty,fa ny kamboty aman-kevitra no tena kamboty.

  • Jamba mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy.

  • Raha tiana ny vady,ny rafozana no tsinjovi-mandeha.

  • Aza faly ny hanambany fa ny hainao tsy ho vitako,ary ny vitako tsy ho hainao.

  • Aza mahidy imason-tsipa, fa ny vola fitady ary ny aina fanary..

  • Ny aina Ramangatahiana, fa ny vola Ramangatadiavina.

  • Zanaky ny efa mangotraka,tsy matahotry ny hangorovitsika.

  • Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.

  • Izay manan-tsira,mahay mahandro.

  • Aza ny fahantrako no jerena,fa ny toe-tsaina hananako.

  • Ny ory tsy havan'ny manana...

  • Kodiaran-tsarety ny fianana; ny ambony mbola ho lasa ambany ary ny ambany mbola ho lasa ambony.

  • Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.

  • Aza manao Andriamanitra tsy misy ka mitsambiky mikipy

  • "Raha ankizy tsy hilalao mody ho tanora, raha tanora tsy ho jejo mody ho antitra, raha antitra tsy ampiady karajy mody ho razana, raha razana tsy mitahy mifohaza iady Vomanga."

  • Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana

  • Saro-tiavina toy ny maimbo helika, kobokobonina masiso, aderadera mahatorana

  • Aza manao be volo-kelika manao selfie ka samy mijery ny azy

  • "Tsy misy mahay maka fofo-pofona mihoatra ny amboa fa rehefa tojo fofo-kelika mitsoaka matanjaka"

  • "Aza manao toy ny atody voakapoka ka mahazo menaka mafana vao mitambongana"

  • Tezitra alohan'ny rariny, ka tsy mahita ny hasiana ny hitsiny

  • voalavo misangy andavenona ka ditsoky ny nataony ihany

  • ny marina toy ny trondro vaventy,ka tsy hita raha tsy any amin'ny lalina

  • fo tezitra tsy ananan-drariny

  • "aza midongy ho avo hoatra ny tandroka, na ho ambony hoatra ny trafo, fa tsy ny ambony no hajaina, fa izay hajaina no ambony"

  • "ny adala no tsy hambakaina, Andriamanitra no atahorana"

  • "ilatsaham-baratra eo am-pangerena, ka sady maty no mihosin-tay"

  • "Areheto ny afo iaraha mamindro"

  • "raha tonga ny tokoa tokoa dia alavitra ny lainga"

  • "nahita akanga tsara soraka; ka nanary ny akoho tama an-trano"

  • tsy amoron'ny alika ny matory ambanin'ny trano; fa tsy fahavitany trano

  • "Tsy Mpanjaka ty Roandriagne, ty anake tsy ondevo"

  • "Ty Roandriagne tsy Mpanjaka, ty anake tsy ondevo"

  • Ny olombelona toy ny ladim-boatavo ka raha fotorana dia iray ihany

  • Ny tanety lava mampisy fisainana, fa ny fotoana maharitra mahatonga eritreritra.

  • Bararata amorondrano , mangovitra mandrapaha-faty

  • aza manao fisitrihan'alika, rehefa tsy mahita dia hoe tsy hita

  • Tsy volie ty natorake, tsy sokantanae ty binanabana

  • Ombilahy miasa, ka izay manao ihany no voakaravasy

  • Ranomaso tsy mahatana aina

  • Ny havisavisana ny ratsy hiavian'ny soa

  • Boloky lahy homam-boatseva ka mamy ny etsy fy ny ery

  • Ny toky fitaka fa ny atao no hita

  • Raha Ny Lanitra Manga, Tsara Ny Andro

  • Na De Tsara Ny Mahafinaritra,tsy Mahasolo Ny Mahasoa.

  • Mbola Mahery Ny Fitiavana,nony Ny Sandry.

  • Aleo Maty Tampoka, Toy Izay Maty novonoina.

  • aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.

  • Aleo Maty, Toy Izay Alan'olona

  • "Ny Manankarena Mety Mbola Hijaly,ary Ny Mahantra Mety Mbola Hifaly"

  • Aza Mijery Ny Haratsiany ,Fa Ny Hatsarany No Jerena.

  • Diso Fanantenana hoatran'ny Makorelina bevohoka, vola no notadiavina ka zaza no azo

  • " lambo nilomy akareny zao,gny aloha losotry gny afara ts atao sasy "

  • Magnaza soliky ambararay ko malaiky amboa miriorio

  • "Ny olombelona toy ny fandrin-drano,tsy misy avo sy iva"

  • Dedaka tonga rafozana ka trano bongo no asiana fandri-baratra

  • Sanganehana tahaka ny ondry nanambady alika, ny vody lisaka nefa ny zanaka tsy hanahaka.

  • "anambadian'kiterahana"

  • Aza atao fitia paraky ka atreho am-bava ihany

  • Raha ny rainy ve ny mitsako sy mihinana ny marikivy, dia avy eo ny zanany lasa madilo nify

  • Aza mahatoky tena ho be vavavody ka hitelina voana zavoka.

  • Ny fanambadiana tsy ferin'alika ka ho vitan-delaka, ary tsy tranon-kala ka ho vitan'ny vody

  • Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty

  • Aza ny hakelin'ny masony no jerena, fa ny fandrosoana hoentiny

  • Tia ho deraina toa olotra, ka any anaty tay no manao akiletika

  • Aza ny ahakelin'ny maojany no jerena, fa ny haben'ny lohan-jaza havoakany

  • Tana mian'ala, ka tsy vahiny amin'ny lokon'ny voahary

  • Hadinoy ny lasa ary aza tsikeraina intsony ny lavenonany.

  • Ny hazo avo alan-drivotra.

  • Didimason'ny be lanonana, mitomany mahita soa

  • Ny fitiavana vary ahahy ka maina vao alanona

  • Manebaka ny hafa ho voretra hay zatra mpanao sasa-piso

  • Mitrosa etsy, mitrosa eroa, nony hamerim-bola koa mifararemotra

  • Masaka teren' ny setroka toy ny akondro naotrika

  • Ny tany no tsy asian-dratsy, ny iverenana

  • Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.

  • Kapila hinanana tsy hangerezana

  • Ny soa atao ilevenam-bola, fa ny ratsy atao loza mihantona

  • Maimaika toy ny boka hanambady ka ny tanana hasiam-peratra aza tsy misy.

  • Raha maty aho, matesa rahavako; raha maty rahavako, matesa ny omby.

  • Fadio ny manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an'ny rehetra.

  • Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.

  • Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa indray vô hifanary?

  • Matoa magneno misy raha mankarary , matoa mangina misy raha maha mahana .

  • Oento any refa tsy foy sao hamoizako ny aiko.

  • Indeso any lafa tsy foy, tsino hamoizako ty aiko.

  • Ny fitiavana toy ny afo,mandoro raha kasihana,ary manafana raha sendra andro mangatsika

  • Sira voanjo ny agnatse, ka ijay vaky ro mamy

  • Aleo tara toy izay tsy misy.

  • Fizaran-kena maty jiro, vintana sisa no andrasana.

  • Noana manontany lera, voky manontany ondana.

  • Aleo miandry rafozan-doza toy izay miandry hani-masaka..

  • "Toy ny ravi-maitso nolalovan'ny fanday ny fitiavantsika roa"

  • in-telo misara-bady,impito rava harena.

  • toy ny rano ampasika ny zaza,ka mora ahitsy.

  • Tiako ny tenako,fa ianao mbola tiako lavitra

  • Mandry aloha tsy mirirana.

  • "tsy misy olona tsy misy aingam- panahy fa misy olona biby"

  • Tsy lany lainga toy ny mpampirafy

  • Aza manana fitiavana vita sinoa.

  • Aleo misoroka,toy izay sorohina.

  • Ny làlam-be no tsy asian-dratsy, ny hiverenana

  • Mpandihy lava volo-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny.

  • VITA HO AZY TAHAKA NY KARATR'I NAIVO;IZY NANDOA VOLA ,NY FANJAKANA KOA TSY MITAKY

  • kakazo maro sefaka tsy ilatsaha magnaniky

  • saro-tadiavina hoatran'ny aretin-jaza ny marina

  • Izay tsy milalao sain-kanina, sakaiza-bilany vy kendakorona

  • Aza miveraka fa asio izay miahaka

  • Raha razana tsy hitahy mifohaza iady vomanga

  • Aza miady vitana amin'ny akoho.

  • Tahaka ny mprivaro-tantely, mitelin-drora anilan'ny mamy

  • Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka

  • Mpanjaka mahihitra,maty alohan'ny andevony

  • Aleo manenina tsy nahazo toy izay manenina nahazo.

  • Ny vontom-pon'ny te-ho velona tsy mitovy amin'ny vontom-pon'ny te-hamono.

  • Solika raraka an-tany, tsy tonga mba hamelona fa hamono.

  • Aza atao toy ny fihavanam-bato , fa raha tapaka tsy azo hatoy

  • NY tsa tea tsa hilaza soa

  • Henan' ny mpitsoka mozika, ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina .

  • Aleo mizara toy izay omena

  • Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.

  • Fitia toko-kena ka samy mahazo ny anjarany

  • manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny

  • Fivoriana alika ka horokoro-body no betsaka

  • tafita vao rendrika toa ny boka miapita rano

  • ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana

  • Homana, manajaria

  • Te hoderaina ohatra ny saka ka rora no anasana tava

  • Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.

  • Izay mahafaty ka aretina

  • Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra ao antampon'ny loha

  • Rava tokantrano rava harena.

  • Manary vady tanora , manome ny tsy manana

  • Antitra vao tia sangy sahala amin'ny tsipolotra antitra.

  • Ny teny toy ny kitoza, tsakona ahitana fy

  • Ny amalona aza hono mba miady nefa samy malama, maika fa isika olombelona.

  • Ny mananasy no boka mitaingin-tseza; fa ny olona boka kosa tsy mba hahazo seza.

  • Tsim-pary amin'ny kolony, tsy ho lany hamamy.

  • Basy atifikava arangaranga mialoha

  • Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha

  • Aza manontany basy amin'ny Anglisy

  • Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo

  • voalohan'atody ka soritana arina

  • Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna

  • Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba

  • Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety

  • Ny erikerika ro mahatondra-drano

  • Ny mijekijeky ro avy lavitsa

  • Ny anjara tsa mba miolaka

  • Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka

  • Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony

  • Ranobe tsy tetezin-doha

  • Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana

  • Aza mitari-bady tsy lasam-bodiondry

  • Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy

  • Manary vady tanora ka manome zara ny hafa

  • Mihena an-toerana toy ny fen'antitra

  • Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy

  • Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty

  • Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te hahita vodi-kifafa

  • Bangon-takatra ka indray mikopaka dia vita

  • Gny vorom-potsy tsy lavits'agnomby

  • Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika

  • Mpiandry omby volavita tsy tompony fa mpamerin-doha

  • Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana

  • Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro

  • ny heloka ibabohana mody rariny

  • Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana

  • Gny nahalava moko gn'akanga dra gny mitao

  • Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita

  • Ny kibo voky no vady manohana

  • Tsy ampy tsy lany toy ny sola vaohina

  • Izay mitovy ro milambagna

  • Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby

  • Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana

  • Tsa mahalala ny poketra misy vola fa ny dangon-tsakay ro atao an-kelika

  • Ny tsa tea ro miedika

  • Ny ômby hena, ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka fa ny ona ro ona

  • Izay to fo mpamosavy

  • Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina

  • Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina

  • Mpifankatia tsy miresaka, lany androantokom-pitiavana

  • Tanora ratsy fihary ka maka kitay fotsy volo

  • Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona

  • Vorondolo nitera-boromanga

  • Aza manao fira hazo am-pihaviana

  • Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona

  • Tsa misy raha te ho anao fa agnao ro te hanagn'azy

  • Valala iray aza ifanapahana

  • Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana

  • Tsa metimety ny fo mpisy vary leky ny sonjo feno fatagna

  • Tsy misy tanora tsy nijoro fa rehefa antitra miady lohalika

  • Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolangolana

  • Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana

  • Tambatambazina ny mpamosavy hamelomana anaka

  • Mpirahalahy mianala, ianao tokiko izaho tokinao

  • Mijery fahoriana toy ny boka mitaratra

  • Mifanaratsy an-toerana toy ny bokan'i Leagna

  • Maimaika toy ny boka hanambady

  • Boka misaka foza, ny natao handoatra koa vao maika namatratra

  • Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy

  • Tafita vao rendrika toy ny boka milomano

  • Tonga dia vonona ohatra ny totohondrim-boka

  • boka nangarom-pantsankana, tsy hetaheta fa ankaso

  • Vahiny vôky, tsy iharagna angady

  • Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo

  • akoholahy mikokokoko akohovavy,tsy hanina havoky fa voninahitra ifanomezana

  • vazivazy ray andalana,miandrovazo laividalana

  • mpajono no tompon'ny trondro,fa ny anglisy no tompon'ny tafondro

  • dedaka ohatra ny saka mangery tay totofona nefa, vody tsy voafitra

  • Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka

  • Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.

  • Toy ny lel'afo be latsaka avy an-danitra ny fahatarana(@olona) ka sarotra vonoina nefa mampijaly

  • Tsy misy fitia herin-taona, fa fonenana no sisa

  • Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra

  • "Tandremo sao manao Akoholahin'ambohimangidy, ka domina vao maneno"

  • Asa atao ankira,vita tsy natao.

  • Tanala very sampy,miverina amin'ANDRIAMANITRA no mety

  • Zavatra tsy hay tsy ibitabitahana

  • Ny teny toy ny atody,raha foy manan'elatra

  • Andevo lahy mangery anjezika,fahavaratra aza miloloha ny tainy

  • Tsy mahalala ny tata-body ka mifitra amin'ny antsy maranitra !

  • "Maniraka zaza tsy nateraka mahabe vatan'orona"

  • "Andrakandrana no nampihinan~tay ny kisoa"

  • "Manalasala toin'ny mamely renin'kisoa, hitsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra"

  • Behivoka miara-matory ka mihorirana indray vao maika tery

  • Hoy ny Ntaolo hoe" Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no fatorany"

  • Lanonana ity fa ny amboa no ambeno

  • Aza sarotiavina tahaka ny pô ka amanizana vao velon-kira

  • "tano ny hazo fa sarotra ny mila"

  • Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"

  • Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy

  • Tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy?

  • NY VOLA FITADY,NY AINA FANARY

  • Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina

  • Akoho kely miambozona tady mahazaka ka mitondra ny tsy heran'ny aina.

  • Aza atao fitia varavarana,tiana fa hatositosika

  • Kely be raharaha toa fangaraka ka ny trano atao, ny feta taomina, ny farara tsofina

  • Toerana nahavokisana tsihy hitoerana ela

  • Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay

  • Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka

  • Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanànana tsy mifandaho.

  • Aza kely fisian-kavana loatra.

  • Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dansy,ka raha madilana,azo tohizana.

  • Aza manao fitia mifono avona.

  • Aza manasakaiza vahiny

  • Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.

  • Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.

  • Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela.

  • Ataovy fitian-dranon'erika:madini-pihavy fa mahatondra-drano.

  • Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.

  • Mandreran-tena otran'ny alika manenjika môto

  • Voreke ty to, tsy ambara longo

  • Zafe magnana-draza: anara ndra mahilala, toroa ndra mahihitse

  • tsy ringitse ty be raza, tsy tsontsa ty managnila

  • Maha latsa ahy ty akoho tsy mitsako ro toro tay!

  • Valimasay, valiegne an-katea ; valibey, valiegne an-tahotse

  • Ndre miriorio ty tsiriry, anosim-borogne agne avao ty tane'e

  • Laron-tsarete ty havelo

  • Gorogoro ty fiay, tsy hay ty tsy tompo'é

  • "Fitia iray lainga ka aina no fetra; fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana".

  • "Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".

  • mandry aloha tsy mirirana

  • Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.

  • Aza atao toy ny fihavanam-bato ny fihavanana,fa ataovy toy fihavanan-kazo,ka raha tapaka ary azo hatoy.

  • ''Ny fiainana toy ny kodiaran-tsarety miodina dia miverina''

  • Tsy ambony tsy ambany ohatran'ny lohalik'alika

  • Raha zanaka tsy laitra hanarina, miteraha haita

  • Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany

  • zaodahy tsy mba havana

  • Tsa ny amalogna ho haza fa ny tagnana mifandray.

  • Tanindrazan'ilay jamba , ka izay diavin'ny tongotra tanindrazana avokoa

  • Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana

  • Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy

  • Bevohoka ratsian-kena ka manaikitra omby am-pitsanganana

  • Fon'i zalahy atakalo ny fon'i zavavy

  • Tsy mitsinjo ny farany ohatra ny andevo mahita fotsim-bary

  • "Manaratsy tena otrany omby latsika."

  • "Tsy ambony tsy ambany otrany loalik'alika."

  • Boka mangala-boatavo dia miandry ny tompony hanatatao.

  • Mampisalasala tahaka n vozon'akoho;hanina taolan,hariana hena.

  • Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina

  • Banga mifanoroka, ka fotodela no farany

  • Aza mba matin-kenamaso ohatry ny sola mandrafozana, na marary aza ny loha ny vilany tsy maintsy lolohavina

  • aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka

  • Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.

  • Miankanjo vahoaka raha lohataona fa mihanja-pasika fahavaratra ohatra ny moron-dranomasin' Amborovy

  • aza manao toy ny boloky lahy homam-boatseva,ka mamy ny atsy sady fy ny eroa

  • « Soa lavo hahay hamindra,soa kenda hahay hitsako »

  • Raha hizara ihany, fitiavana zaraina ; raha hitondra ody ihany, fitiavana lanjaina ; raha amokatra ihany, fitiavana vokarina ; raha hikendry ny soa, ny fitiavana kendrena

  • Ny mihomehy lavo aza misy todiny maika fa ny mitsambiki-mikipy

  • Izay manenjika ny osa mbola henjehin'ny mahery

  • Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa

  • Tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka

  • "Miaka-midina toy vodim-panjaitra ny fianana."

  • "Matikambo ôtran'ny gisa tratra mangala-ketsa, ka izy mangalatra ndray no avo vava."

  • "Mitady sitrany ôtrany totozy terekanina nefa nasitriny."

  • "Kobobo voafandrika,ka ny mitsilailay no azoana aina."

  • "Samy manana ny fiainana,ka aza mialina ny vitako fa manaova mba ho itako."

  • "Aza manenjika ahy ry fahavaloko,fa na lavo aza ahy mbola iarina ihany."

  • Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.

  • Ny fo miray no mandresy ny sakana.

  • Mifanaratsy apitoerana, oatrany boka mitanin'andro

  • Ny fanambadiana toy ny toko-kena,raha tsy sendran'ny trafony dia sendran'ny taolany

  • Aza manao ratsy,fa ny tsara dia manamarina ny tena

  • Aza miandry ny zaza mihoso-tay vao hihazakazaka hividy taty

  • Ny soa tsy ambara havana, atambo miditra ny trano

  • antilahy nangalatra ampango,hialaka lazan-draha

  • Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.

  • Aza atao fihavanan'alika ka isaky ny mifankahita dia mifanasavangy.

  • Be hambo toa rambon'osy ny lanitra tsy ianjeran no tohanana nefa ny vody lanin'ny moka tsy hita.

  • Aza atao fitia varavarana ka tiana ihany fa atositosika.

  • Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana

  • Boka homan-kitoza, faly am-pihinanana fa ny manala kaka nom raharaha

  • Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy

  • Tsy ny anjara no mamolavola ny olona fa ny olona no mamolavola ny anjarany

  • Be hambo tahaka ilay jamba ka milaza fa mahita kitana mitatao vovona

  • Menaky ahosotry fory ka hetotry no mba avalinazy!

  • Menaky nahosotry fory ka hetotry no avaliny azy!

  • Boka mita rano, toy ny fidoboka

  • Ny Tondro tokana tsy mahazo hao

  • Ahandro an-tane, trea tsy ilove, bae an-kandry trea tsy harefe

  • Tro-bontsy tsy añarian-kane, heloke ho afake tsy añariambaly

  • Mañehen-dolohaze hoe hao an-doha

  • Heam-boron-dResolia, apoke i fa reketsey fa hañeañe i raike

  • Apemba nihanem-balavo, tsy motso fa nihanen-draha miay.

  • O volokoo o gogoo fa zaho tsy abo

  • Fiaboa ty raha soa, fañabokà ty raha raty.

  • Amalo mamadi-pe, ho tombohe, mahavoa fe, havotsotse laoke

  • Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty

  • Ny nantenain-tsy azo, ny antanam-botsitra.

  • Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.

  • Ny faniriana mety ho sahala, fa ny anjara tsy hitovy.

  • Tsy misy hazo mamoa ka tsy miorim-paka.

  • rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy

  • Hodiana tsy re ohatry ny fosan-drafozana

  • Izay tsy mahay sobika mahay fatram bary

  • Matokitena ho be vavavody ka mitelina vonina zavoka

  • Boka mihinan-kitoza: ny fihinanana dia lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana.

  • Boka nangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao

  • Nidiran-doza ohatrany sinoa nenjehin' alika, ka ny sakafo indray no andosirana

  • Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo

  • Dedaka tonga rafozana,akoho vonoina ka indramam-pamaky

  • Aleo mihaona amin'ny mpamosavy toy izay mihaona amin'ny mpandainga

  • Ny marina mitavozavoza resin'ny lainga tsara lahatra

  • vava soa ,ny teny ratsy adidy

  • ny tsy tia tsy hilaza tsara

  • Mivanivany toy ny alika mitsena voatira

  • Omby mahia tsy lelafin'ny namany...

  • Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.

  • Tifi-danitra,nahavoa,tany, tratry,ny, tsy,nampoizina

  • Sarotra entina toy ny rafoza be tsiny,omena ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.

  • Sarotra entina toy ny rafoza. be tsiny,ome.na ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.

  • Tsara tarehy petak'orona ka voatodro iray ny tsininy

  • sandry be tsy hery,fahatanorana tsy ody faty

  • Tafo tranon-reny tsy ambinina, Zanahary manafo ny ialany,izy manafo ny ilany

  • Ratsy vintana toy ny saka,ka be vohoka vao ato hoe mamosavy

  • Raha nisakana Ikopa, raha nisakana i Mananara, tsy hary i Betsiboka.

  • Mihinana am-bolony toy ny Malagasy voatamby, handeha hifidy.

  • Mahantra raha samy olombelona toy ny malagasy, velona ianjadian’ny fahoriana, maty very taolam-balo.

  • ny omby no matin'ny taviny,ny hazo no matin'ny hitsiny

  • ny marina toy ny vato am-balam-parihy raha tsy hitan'ny angady lohataona,hitan'ny antsy raha fararano

  • omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina

  • Lany andro toy ny hendry mananatra adala

  • Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka

  • Fisaka ny to,malama ny marina

  • "Aza diso mahihitra ka hanjaitra atody sy hitetika parasy"

  • Ze mania firàn-dambo

  • Tandrimorimo ty maola mahavoa ty mahihitsy

  • Tsy atoro fa hita hoe bay an-kandry

  • Ka miola soafitaky hoe hỳ, ka magnehi-dolohazy hoe hao

  • Tsongò fonao, bideno ty an'olo; marary anao, manilok'olo

  • Roso aloha ze meky

  • Kibaroa tsy atrosa

  • Ka manao tana mahay vata

  • Safàn'olobe renin-tantely: tsy mipetraky laha tsy an-dravinkazo

  • Fa tsy any tsika hoy Retsotake

  • Vola volambolagny, hena mandrekitsy an-kỳ; ndre atao mamy gny tantely, lakolako gny sỳ

  • Tanora izaho fotoana tsy tohiny tanora fahiny

  • Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony

  • Didifolo Andriamanitra tokony ekena sy hakatoavina fa didi olombelona tokony hifanaraka didi Andriamanitra

  • Ny tanora matanjaka fa ny antitra osa

  • Antananarivo tsy voatery ifakafatatra daholo afatsy mifanerasera matetika

  • Ny lahy tsy mba vavy ny vavy tsy mba lahy

  • Ny lahy samy lahy na vavy samy vavy tsy mahazo miray ara nofo na mpiavana na mpiraitampoha fa ny mpivady ihany no afaka miray aranofo vita mariazy sy vita soratra arampanjakana

  • Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ka mitandrema

  • Lasa ny mpivaro-tena vao manangona fimailo.

  • Zavatra hahafaty tsy mba ambara vady.

  • Ataovy tsy rem-bitsiky tsy ren-kalalao.

  • Ny vola miteraka havana fa ny havana mandany vola.

  • Mangarik'olona tsy fidiny toy ny sima sy njola.

  • Raha torimaso tsy taitran'ny amponga, fohazy ihany sao nodimandry.

  • Zaza mivalana am-pandriana, mahavoa Ray mahavoa Reny.

  • Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy vao tsy araha kasokasoka tonta tsy arahan-dromoromo

  • Aingaingao rey volom-body fa ny elatra hanidinana no tsy misy.

  • Aingaingain-kazera sahala amin' ny famono vato.

  • Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.

  • Aingaingain-kazera, toy ny fively fandraka.

  • Aina ity hoy Rainimanonja.

  • Ahoana no reraka am-pototry ny sompitra?

  • Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy.

  • Ahitra no nanafintohina, ka ny tokonana no haetry!

  • Afo lavitra tsy azo amindroana.

  • Afoizo aho raiko tsy hiasa, hoy ny taim-piraka.

  • Afatotra maninton-tady, ampandehanina tsy afaka.

  • Afa-nenina hoatry ny manabady momba manala ratsiaina.

  • Afa-nenina hatrany an' ala lava, ka hatrany an' ala fohy.

  • Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.

  • Afa-baraka toy ny vomanga an-tan`ana, fa ny akoho no avy mihehy.

  • Ady varotry ny mananontena, ka raikitra vao toran-kovitra.

  • Ady tsy tra-mampahery vava.

  • Ady tsy tra-maha-Rangahy.

  • Ady tsy ahi-mahatratra.

  • Ady lova, ady fananana, fa tsimbino ny fihavanana.

  • Ady amin' adala, ka ny hery no miala.

  • Adrisa tsy ampoky ny ahitra angaha aho no hifiaka izay antsoro maina.

  • Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.

  • Adin-kisoa no misy atolak' orona.

  • Adin-kisoa, ka samy mandoa vory ihany na ny resy na ny maharesy.

  • Adin-kisoa, ka poritra vao manasa vangy.

  • Adin-jamba ka izay vonona no afitsoka.

  • Adin' akoho vorom-bato : ny resy torotoro, ny mahery disadisaka.

  • Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.

  • Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.

  • Adalan-kaotra ka zary hazaka.

  • Adaladala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no mihosin-davenona.

  • Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.

  • Adaladala monina Ankaratra, ka tsy mahalala sahondra ho vaky.

  • Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.

  • Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.

  • firaisan-kina no hery

  • ny fitiavana toy ny ketsa ka mora afindrafindra

  • Andalovako mora ny ampitso satria ny androany dia ny lasa ihany no miverina.

  • aleo tantsaha mijoro, toy izay mpanankarena mandohalika

  • Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao mahagaga

  • Tranoben'Antananarivo ka izay vita aloha no manenina

  • Vita ho azy sahala amin'ny karatr'i Naivo, ny fanjakàna tsy nitaky, i Naivo tsy nanatitra.

  • Sola mindran-kety ka mahabe eritreritra

  • Ombilahy be vozona ka tsy mifidy tany hiadiana.

  • Ny ditra mameno tanana fa ny nenina mamarina an-kady

  • vato atora-pody ka tsy matahotra izay vary hihintsana

  • Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra

  • Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.

  • Aleo kijeja mifampikasoka amin'ahitra toy izay adrisa manampatra elatra mandao.

  • aleo manda tsy handeha toy izay manaiky nefa tsy ho lasa

  • NY HERY TSY MALEHONY FANAHY. NY FIRAISAKINA NO HERY.

  • ALEO MIANATRA TSARA HAJANY OLONA TAFITA FIANARANA. TOHIZAY TSY MIANATRA ANEFA AMBAKANY OLONA IZAY TAFITA FIANARANA

  • MANAOVA NY SOA DIENY MBOLA VELON'AINA

  • Izay mahakolokolo no manana ny tsara(ce qui soigne possèdera le bien)

  • FANAMBADIANA TSIRAIKITRA TSY ATAO MAHA RATSY FIAVANANA.

  • Andevolahy nahazo fiandrianana ka lanjao aho anio tontolo andro.

  • Tsy misy zavan-tsy zaka mihoatra ny fanambadian-tery setra.

  • "Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka ny toerany"

  • Tery omby ririnina, atao izay tsy hahabotry ny zanany, kendrena izay tsy hampahia ny reniny.

  • Adala manan-janaka ka ny isany avy no anontaniana olona.

  • Hendry anaty toy ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany

  • "Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy"

  • aza matahotra ny halavan'ny tohatra fa manahia ny tsy fahasahianao hiakatra

  • mety hanao fahadisoana ny olona fa tsy midika izany fa olon-dratsy izy

  • Zakao amim-pitiavana toy ny alahelon'akoho ny ezaka izay atao, fa na voahosihosy aza ny lamosina, na voatsaingotsaingoka aza ny loha, ny adidy amin'ny taranaka mba vita ihany.

  • Boka nangala-kitoza, nanala kàka vao ady mamay.

  • Sepotry ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenina

  • Aviavy toy ny amany vao maraina.

  • Kely ila nagala-badin'olona, nahazo ihany fa tsy afa-nitsoaka!

  • "fitia tsy tanteraka tsy maharatsy fihavanana"

  • "Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala

  • Haren-dany tsy manitra intsony

  • Mitovy tanjaka otran ny tongotr alika ka tsy fantatra izay tena mahery.

  • "Faly sahirana toin'ny akoho kely notsipazana fotsimbary"

  • Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.

  • Na ho lasa aza moa ny ririnina , ny zaza tsy teraka tsy azo foraina.

  • Fohy mamonjy lanonana ka rehefa rava vao hita.

  • "Izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona"

  • Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka

  • "Naniry zaza ka tera_dahy"

  • "Zaza nilaozan_tsakaiza ka milalao vovoka irery"

  • Mpamosavy malemy ka ny ao an_trano indray no haripaka

  • "Tsara ny roa nohon'ny iray, ny hevitry ny maro mahataka_davitra"

  • "Ny fikasana antsika olombelona fa ny lahatra dia an'Andriamanitra"

  • "Andriamanitra no nanome fa i Balita no tsy nambibina"

  • "Loharano tsy tetezin_doha, ny mita be tsy lanin'ny mamba"

  • "Izay mahavangivangy tia havana, ny hava_tiana tsy vangia_matetika"

  • Toy ny ondry mirao-bilona ka izay tratry ny tady no anaranana fo

  • Ataovy toy ny volana ny fiarahabana ka raha tsy fenomanana tsy ajanona

  • "Boka misaka foza ka vao mainka manesika azy ao an_davaka"

  • "Tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka"

  • "Firaisan_kina no hery, izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika"

  • "Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy"

  • Tapa-tenda ohatra ny mpampiasa jiro tsy nahaloa vola.

  • Mpiatsara ivelatsihy mody madio ohatra ny ranon'i Masay.

  • Andriana mifamofo amin'andevo ka maniry midina toa volo-kelika

  • Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.

  • Aim-bery foana ohatra ny mitory mpanam-boly amin'ny fitsarana.

  • Saro-tiavina ohatran'ny pô, amanizana vao velon-kira

  • Aleo ratsy feno fahatsarana toy izay tsara feno faharatsiana.

  • ny lainga toy ny salaka n tompony ihany no afatony

  • Midonaka tsy narehitra toy ny fakon' Andralanitra

  • Midonaka tsisy nandrehitra toy ny fakon' Andralanitra

  • Vendrana mihoaka,kenda vomanga nasesiky ny tanany.

  • Zavavy mandrovi-tsihy lamban-DRafy ka irefarefana.

  • Efa tsara vina (études) ohatran'ny fasan'ny mpamosavy.

  • Ny fandikan-dalàna rom-boay , zay masaky homa

  • "Rehefa mety ny atao, na ny sahobakaka aza mampidi-drano an-tatatra, saingy rehefa tsy mety kosa, na ny ranon'apango misy voay"

  • Banga mihinam-boanjo-bory , am-body manao kanety

  • boka manao slow, raharaha ny mba te hanao zay mba ataon 'ny olona e

  • boka mianatra bisikileta, vo manombaka tonga dia manao tsy an-kitazona

  • Boka mitolom-boatavo ,tafaray samy malama

  • Samy manana manana ny tiany hoy ilay rangahibe nitsako tain-delo

  • Trano ben 'Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina

  • Tanora ratsy fiary ka maka kitay fotsy volo

  • sahobakaka latsaka am-pantsakana, ny hevitra ivoahana misy fa ny hoza-body no tsy maharaka

  • lany ny kipilipily zato vao tonga ny voron-tsara dia

  • Tsy misy lehibe toy ny omby fa raha sendra tsingala dia maty

  • Ny olombelona fandrin-drano : tsy misy avo sy iva

  • Lahy antitra misafosafo ny rahany...ka mitsetsetra ,mitanisa mahatsiaro ny lasa...

  • Malahelo ,lasa fisainana , lany hevitra toy voangory mijery zaza mangery ambony vato......!!! :-))

  • Herim-po very maina toy ny akoholahy antitra nanenji-bavy vao tanora...(vantotr'akoho vavy) ka ny raha tsy azo moa ny tena misoháka sempotra....!!!

  • Tsa ny toaka ro mahere fa agnay betsileo ro tsa mahay misotro...

  • Ny betsileo liaka tsa mba mabo fa ny toaka ro mahery

  • Ny an'ilay niandrandra nijery vorona : "tsy tay iny fa fanampi-paraky"

  • Andriamanitra tsy andrin'ny hafa fa andriko ihany

  • Zanahary tsy mitahy mandry

  • NY TSINY FANALAN'NY VAVA

  • Izay maharitra vadin'Andriana

  • Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana

  • Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo lainga tsara lahatra

  • Mifampitsipaka toy ny valala an-karona,ny tafakatra indray no itsahina

  • Tsy sitrapon'ny vilany ny ho mainty fa dorana andro aman'alina izy ka ngerona.

  • Tsy sitrapon'ny antsy ny hikapa taola-mahery fa asesiky ny tana-mandrasa ka tsy afa-mandà.

  • Lany ve ny hazo , no ambiaty no atao tehina.

  • Ny vatolahy antampn-kavoana no arahabaina tsy mba mamaly, atao mbay lalana tsy mba mivolana.

  • Na ho lasa aza moa ny ririnina, ny zaza tsy teraka tsy azo foraina.

  • Takitrosa amin'andriana ka ny tompony indray no manambitamby.

  • "Aza mamaly ratsy amin'ny ratsy,fa aleo mivavaka sy manao soa aminy"

  • akoho mitsiri-bilany ka mijery ny fasana ilevenany

  • Tsinjaka andavenona ka sempotrin'ny raha tiany....

  • raha ny hendry midera tena, manambara ny adaly kosa

  • Raha manome raiso, Raha mikapoka na manaikitra kosa andosiro...! (:-))

  • "Zaro@làlana tokony alehany ny zaza,fana antitra aza izydia tsyhiala@'izany" (0habolana 22:- (Mankàny @Jesosy Kristy)

  • "Amin'ny izay rehetra atao, tsarovy fa misy ny farany"

  • Jamba misikidy;mahita masoandro ho an'olona,fa tsy mahita ho an-tena.

  • Jiolahy nahafaty mpamosavy,ka matin'ny olon-dratsy ny ny olon-tsy vanona.

  • Aza faly am-panaovan-dratsy,toa mpamosavy

  • Aza malahelo diso levenana,fa ny faty mbola ho be

  • Ataovy toy ny andry ombin'ilaisalama ny havana,ka ny kely voasafosafo;ny lehibe voatehatehaka

  • sarotr'enjehina toy ny saka mainty ao anaty haizina, indrindra raha tsy misy ao

  • Ny hadisoana dia toy ny rivotra : mikasika antsika fa tsy misy endriny

  • aza atao toy ny vato ny fihavanana ka raha tapaka tsy azo atohy

  • aza atao toy y vato ny fihavanana ka raha tapaka tsy azo atohy

  • ny fanahy no maha olona .

  • Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.

  • Aza manaw toy vary an-tsaha tonga namana haka vao mavomavo

  • Aleo ambany toetra,nefa manana mpanompo iray,Toy izay mihambo ho be voninahitra,nefa tsy manan-kohanina akory.

  • Aza manw toy n fo ka rehefa tia vao taitaitra.

  • Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano.Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady

  • Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay ny harem-bevava azo amin'ny ts rariny

  • Toy ny rano sy ny vary, mifameno hatraiza hatraiza

  • ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina

  • Be faniry, kely fila; ny vary aloha tsy ataon' ny kamo

  • Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra

  • Aza atao fively aponga ny havana ka ny andahiny gobogobohina fa ny am-bavany lambolamboina

  • Na iza hianao na iza dia tsy misy mahasamihafa amin'ny hafa

  • Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany

  • Aza manao valifatin'ilay fo menarana.

  • Ny saina zatra mikarokaroka dia vonona mandrakariva manitsy ny tsy mety atao.

  • Raha te ho tafita amin'ny fiainana,ny zavatra atao voalohany dia miraiki-pitia amin'ny zavatra ataonao.

  • Tadidio fa irery isika amin'ity fiainana ity.

  • Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.

  • Ny eritreritra dia toy ny papango rivotra ka misidina irery avo dia avo.

  • Ny ririn-dasa tsy tsaroana

  • Toy ny angidina:atao mahia ,be tratra;atao matavy,kely rambo.

  • Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.

  • Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.

  • Ny olombelona fandri-drano, ka tsy misy avo sy iva.

  • Ny ela maha iray ny roa

  • Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.

  • Amboa mitsilany,tsy hanin'ny namany.

  • zoky toavina tsy andriana ;zandry manoa tsy andevo

  • Bala hamatra ny marina ka tsy azo atifitra toloho

  • Ny olona no miady, ny marina no avoaka

  • Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina

  • Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro

  • Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny hitsiny

  • Izay manao ny rariny manao hitsiny

  • Ny heloka nilaozana tonga hitsiny fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka

  • Izay manondro lala-mahitsy mamindra aina

  • Aza manao bingo manao matso fa mandehana amin’ny hitsiny

  • Ny omby matin’ny taviny, ny hazo matin’ny hitsiny

  • Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra

  • Ny rariny toy ny hazo mahitsy, tsy hita tsy anaty ala ; ary toy ny nofy tsy azo raha tsy matory

  • Tailan-doha manao soro-bilana ka ampihilana ny efa nivilana

  • Tsy mahafeno riha ty hatake

  • Tantele miato fare, mamy ie iatoako, mamy izaho miato aze

  • Tsy longo ankarine’e ty laletse, tsy rafe t’ie lavitse ty tantele

  • Aza manao ahy sy azy

  • Ny hasasarana mahamaloka endrika

  • Tsy voavonjin'ny hafa akory fa ny havana ihany no hala-mahatratra

  • Mifankatiava ny velona fa ny maty efa tsy namana

  • Ny fikambanana no hery

  • Ny firaisana no mateza ny fifankatiavana no tady mandrohy azy.

  • Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava

  • Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.

  • Kitapo mora feno ; vady miara-miary.

  • Aza manao hoe : " an'ny lehilahy ihany", na hoe " an'ny vehivavy ihany"

  • Anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby - Anambadian-ko namana, iterahan-ko solofo.

  • Ampanambadiana lasan'olona, omby namidy tsy an'ny tena

  • Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry

  • Ny fihavanana ohatra ny landy : maty isika, ifonosana ; velona itafiana ; ka ny madilana arahim-panondro.

  • Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady

  • Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana

  • Fitia savony, tiana fa avalana rano

  • Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro

  • Lahy antitra kendan’ovy : tsy atolak’olona, fa matin’ny nasesiky ny tànany

  • Boka mihinan-kitoza : ny fihinanana no lavorary, fa ny manala kaka no ady mafy.

  • Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.

  • Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara

  • Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manam-bady fohy, mitahiry tapak’aponga ; manam-bady ny loza be, mitahiry varatra an-trano

  • Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray andro fa hiongo-belona herintaona.

  • Mioty manta ka leony, miringiringy ka potraka

  • Haitraitran'olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy.

  • Mandeha irery, sahalain'Andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona.

  • Mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny

  • Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia

  • Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.

  • Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo ?

  • Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy

  • Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy

  • Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be

  • Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.

  • Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.

  • Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay.

  • Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.

  • Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly

  • Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra

  • ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina.

  • Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana

  • Ny be no basy

  • Akoholahy jamba ka ampiadiana tsy mety miady, apetraka mitsaingoka ny namany.

  • Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.

  • Volom-bodin'akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian'ny namany.

  • Akoholahy manakokokoho vavy: tsy hanin-kahavoky, fa volan-kifanajana.

  • Akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.

  • Adin'akoholahy vorombato: ny mahery disadisa, ary ny resy torotoro.

  • Lany hatoka hoatra ny akoholahy matin'ady.

  • Mpisakaiza amim-bazimba malahelo, ka ny akoholahy lany, ny fitahiana tsy misy.

  • Akoholahy sy masoandro ka mifamotoan-tsamy lavitra.

  • Toy ny akoholahy an-drova , samy ta-haneno avokoa.

  • Fantsin'akoholahy maranitra fa am-paladia.

  • Tretroka akoholahy mena fa ambanin'ny mena.

  • Manjilajilatra hoatra ny feo vantony.

  • Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina.

  • Ny saboimaro maiva-mavesatra

  • Rafotsibe nita rano ka izay hahasoa taovin'Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita

  • Jangareny, ka botry anaka

  • Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala

  • Manda lem-body, koa sonzo rano

  • Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany

  • MIteny ny iray toa novakonina, miteny ny iray toa nampalesina

  • Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra

  • Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady

  • Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro

  • Vivy nanitrika ka bongo mason' ny nahiny

  • Manao zanaka anaty fo maharary

  • Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy

  • Ron' i Mandiavato ; ny sisa tsy lany anasa-tongotra

  • Ilay nahandro vato : raha ny rony dia masaka

  • Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra

  • Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may

  • May tsy mba homana ohatra ny soitrafo

  • Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina

  • Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay

  • Any Antsahadinta no voky tsaramaso, ka any Ambatolaona no mizihi-kibo

  • Aza manao tsingala mahalala ombin-tena

  • Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana

  • Hady vory faritan-tsy honenana

  • Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo

  • Any ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia

  • Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo

  • Matin-drobon' ny adrisa ka fola-pen' ny aketalahy

  • Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina

  • Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory ; ka tsara ny mifanaja.

  • Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?

  • Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany ; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga.

  • Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady, ny velona no tandrovina

  • Ny halavoana tsy mahalehibe

  • Toy ny tongom-bintsy an'ala, ka madio lavi-drano

  • Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva

  • Ny olombelona toy ny embok' akondro : raha manondro ny lanitra, iray ihany ; fa raha miondrika samy manana ny lafiny

  • Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron’ny marary

  • Tezitra alohan’ny rariny, ka tsy misy asiana ny hitsiny

  • Maro foana toa manam-poza

  • Aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana.

  • Ny fo tsy mandringa, ka raha mandalo aho mitsidika ihany

  • Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may

  • Tsy nisy nanao soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho

  • Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.

  • Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo : tsy maty, fa malazo

  • Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa

  • Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany

  • Sabora raiki-molaly : na manitra aza mangidy.

  • «Veloma» tsy mba adidy : sakafo lany tsy mba andraikitra.

  • Manasa lamba be tseroka : na madio aza, mangarahara.

  • Aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana.

  • Aza atao fively amponga ny havana : ka ny iray am-baviny tambatamba­zana, ary ny iray kosa an-dahiny hodobodobohana.

  • Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranon'orana ho avy

  • Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany

  • Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka

  • Atody tsy afindra reny ; ro tsy afindra vilany

  • Ny tsikalakalan-karena manam-pahalaniana, fa ny tsikalakalam-pihavanana tsy manam-pahalaniana

  • Fihavanan' ny Mamoladahy : tsy mihavana roa taona

  • Ny fihavanana tahaka ny volonkotona : hatonina, manalavitra ; halavirina, manatona

  • Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra

  • Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny avy.

  • Kary mihomehy ny vorondolo, ka ny mandady indray no mihomehy

  • Tahaka ny jiafotsy : vao, tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo

  • ny iray tsy tia mafana, ary ny iray tsy tia mangatsiaka : ka ataovy ny marimaritra iraisana

  • Toy ny rano am-pasika ; natao tsy hisy fa nisy ihany

  • Ataovy vikina alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.

  • Ny ela nandeferana , tsy voatazon-tsonia fito.

  • Amalon'iMoriandro, tsy hain-jaza , tsy haim-behivavy.

  • Aza malady hofana toa amalon-kely.

  • Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro.

  • Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra.

  • Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary.

  • Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.

  • Vary aloha , mahatra-po fa tsy mahavita taona.

  • Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.

  • Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.

  • Fahaizana tsy ombam-pahendrena , tsy henika satro-boninahitra.

  • Alika mivovo, tsy hery fa tahotra.

  • Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.

  • Akohokely paohin'ny papango, very vao misidina ambony.

  • Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.

  • Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.

  • Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.

  • Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.

  • Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana

  • Anantsinahy va aho ka atao ambony vary ?

  • Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona

  • Ny fihavanana tsy azo vidina

  • Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany

  • Anao aho ka mora, fa raha an'olona aho dia sarotra

  • Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina

  • Ny faty mpanazakazaka, ary ny aretina vadin-koditry ny olombelona

  • Tsy ny fanambadiana no taloha, fa ny fihavanana

  • Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila

  • Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana

  • Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.

  • Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.

  • Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.

  • Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.

  • Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.

  • Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.

  • Izay fatra-panova vady rava harena.

  • Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.

  • Aza atao hantan-kankana ka tapaka eo ampiolehana.

  • Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.

  • Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany

  • Vorom-bola miaraka amin'akoho, mialà fa tsy havanay

  • Vano am-balam-parihy ihany mantsy aho, ka raha tazanina toa avo dingana, hatonina kely fingotra

  • Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody

Ohabolan Fitiavana

  • Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra.
  • Aza mitsipadoha laka nitana
  • Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana , very tsy mampamoifo , hita tsy mahafaly .
  • Aza atao fitia ranontrambo be fiavy fa mora ritra .
  • misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola .
  • Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
  • Ny fitiavana toy sorajandiana ka samy mifidy izay tiana.
  • Izay tiana mitombo tarehy.
  • Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
  • Milaza hoe tsy tia, tsy tia ; kanefa tsy manidy trano.
  • Raha maty aho matesa rahavako
  • Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
  • Aza manao fihavanan-karena ka tomany handratra ny sasany.
  • Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
  • Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vangy
  • Izay iray vatsy iray aina.
  • Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
  • Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
  • Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
  • Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadijafy intsony.
  • Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitapi-maso hahazo ozona be.
  • Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.
  • Tsy misy fitia fito taona , fa ny sisan'izay fihavanana .
  • Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana , an-koditra vao mahangoly .
  • Aza atao toy ny fitia varavarana, ka tiana ihany fa atositosika
  • tsa misy fo mahafoy vady hoe, fa ny maso no te hanan-droa.
  • Sora-damba an-tsena ny fitiavana , ka samy mifidy ny tiany .
  • Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
  • Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana.
  • Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
  • fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
  • Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry
  • tiambady ka mahay miresaka
  • Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty
  • aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.
  • Aza manao fitia paraky, ka hatreo ambava no ho miakatra ihany.
  • Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
  • Mifankatia amin'amalona,: ka nony sendra tia, nabolilany
  • Mody tsy tia, koa lefaka
  • Tia ihany ka be malo
  • Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?
  • Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo no miarahaba.
  • Ny fitia toy ny ketsa, afindra vao miroborobo
  • Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
  • ny fitiavana tahaka ny afo : raha lalaovina mandoro, raha koloina maha-masa-bary"
  • fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
  • lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
  • Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna
  • ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
  • Aza atao fitia telefônina ka raha tsy maneno tsy tsaroana
  • Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androantokom-pitiavana.
  • mifankatia tsy mifamarafara : ady no farany
  • Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
  • ny fitiavana iray afaka mizara ho an'olona maro fa ny fitiavana ny iray tsy azo zaraina ho an'olona roa
  • Tsy mahavaly fitia toa zaza
  • Ikalamomba tsy tiandahy ka maty vao Ramalala
  • Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
  • Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina ( hitsakitsahina)
  • fitia savony, tiana fa avalana rano.
  • Fitia kiraro, tiana ihany fa itsakitsahina
  • Aza atao fitia siligaoma, lany ny mamy dia ariana
  • Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
  • Saro-tiavina toa landy mohaka
  • Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
  • Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika
  • Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra; halavirina, manatona
  • Aza manao fitia mifono avona
  • Fitia lamban'akoho , aina no fetra
  • tsy tia tsy tia nefa tsy manidy trano
  • tsy tia maro toa mpamosavy
  • Ataovy fitian-dranon'erika: madinipihavy fa mahatondra-drano
  • Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo miarahaba ihany
  • mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
  • Hazo sy vorona, izay manina no manatona
  • Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny màito tohizana .
  • Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro.

Ohabolana Fiainana

  • Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
  • Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
  • Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
  • Mandia tany isika, miloloha lanitra, mandiniha rehefa miteny, mijere vao mamindra.
  • Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
  • Mamono biby an-davaka ka hifoteran'ny rambony
  • Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha
  • Ny hazo avo halan'ny rivotra.
  • Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
  • Solafaka omen-tehina,potraka omen-kiraro
  • Solafa omen-tehina,potraka omen-kiraro
  • Toy ny mamoaka omby tokana,vao mitehin-doha dia tapitra.
  • Ny hana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy,raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina
  • Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
  • Aza atao tsy tiako bika ,tsy tiako tarehy.
  • Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
  • Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
  • Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo,izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
  • Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay,tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
  • Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
  • Ny zavona no manamaizina ny mazava.
  • Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
  • Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
  • raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba hahita
  • Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
  • Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
  • Ny soa atao hilevenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
  • Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
  • aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
  • Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
  • Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
  • Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
  • "ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo"
  • Aza miandry ny ho faly vao hitsiky fa mitsikia mba ho faly
  • toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
  • "hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
  • Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao , ratsy izy ao
  • Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
  • Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
  • Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
  • Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
  • Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha
  • Aza be siasia toy ny amalona andrano.
  • Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
  • Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
  • Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
  • Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
  • Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
  • Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
  • Ilatsahan'ny varatra am-pangerena, sady maty no mihoson-tay
  • Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
  • Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
  • Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
  • Ny halavoana tsy maha lehibe
  • Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
  • Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
  • Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
  • aza manao solafaka andro mitsidika
  • Ny zavona no manamaizina ny mazava.
  • Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
  • Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
  • raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba hahita
  • Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
  • Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
  • Ny soa atao hilevenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
  • Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
  • aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
  • Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
  • Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
  • Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
  • "ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo"
  • Aza miandry ny ho faly vao hitsiky fa mitsikia mba ho faly
  • toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
  • "hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
  • Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao , ratsy izy ao
  • Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
  • Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
  • Ny hazo avo halan'ny rivotra,kakazo mirona tsy lavon-drivotra.
  • Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka.
  • Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
  • Izy mihevitra hiasa tsara dia tsy maitsy mandrangitra ny fitaovany .
  • Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona.
  • Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa,ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
  • Aleo enjein'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
  • Aza setroky ny afo aroson'ny hafa ihany
  • Maso mahita tsy mitondra mody
  • Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
  • Asesiky ny fitia sy ny hanina azy,ka tsy mahalala masoandro ho faty
  • Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
  • Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
  • Monina ambanin'ny riaka fa tsy lena
  • Voalavo no velona,akaiky ny lavany.
  • Fidio izay asa tena tianao ary dia tsy hanampy andro iray hiasana amin'ny fiainanao intsony ianao
  • Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
  • Ny tena fahafinaretan'ny saina dia ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vitanao .
  • Ny fahazoam-bola noho hiankinan'ny olona noho ny ohatrinona no fidiram-bolako.
  • Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
  • Izay sahy maty ihany no mifono lamba mena.
  • Rafotsy be kendam-bomanga, kenad ny nasesiky ny tananany
  • Ny hazo no vanin-kolakana ,ny tany naniriana no tsara
  • Velona iray trano ,maty iray fasana toy ny olombelona
  • Mimonomonona hoatra ny lalitra,miriorio hoatra ny angidina
  • Ny olona ambony mijery ny tenany,ny olona ambany mijery ny olona
  • Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao ,no maha ianao anao.
  • Izay mangina volamena
  • Ny asa tsara dia tsy noho ny hery irery ihany fa noho ny fikirizana
  • Fidio izay asa tianao ka toy ny tsy miasa ianao amin'ny androm-piainanao rehetra.
  • Ny fanadinonao ny tarigetranao no vato misakana eo anolonao tsy ahatanterahanao azy.
  • Aza mifaninana fa mamorona, jereo izay ataon'ny besinimaro ary aza atao.
  • Arakaraky ny eritreretanao ny farim-piainanao no fandanianao vola.
  • Tahaka ny kitoza ny fiainana , ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony .
  • Maty manao soa izy ,mandefitra vao vaky loha
  • Ny teny toy ny atody ka raha foy manana elatra
  • Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
  • Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny,tsy ahafaty ny zanany
  • Matin'ny ebo kely ka ataon'ny alahelo mitakiky.
  • Aza mandihy tsy afa-tavony.
  • Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.
  • Manjono lasa -mamba ka sam maka ny tiany.
  • Ny fay sy ny tamana dia iray ihany.
  • Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina.
  • Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka .
  • Ataovy vikin'alina ny fiainana , aleo manana amby toy izay tsy ampy .
  • Velezo ny vy dieny mbola mafana.
  • Ny hazo no vanon-ko lakana,ny tany naniriany no tsara.
  • Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
  • Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha.
  • Aza be henatra imaso,fa be fosa ivoho .Henatra fa tsy hanatra.
  • Aza be anatra imaso ,fa be fosa ivoho.
  • Mpanelanelana sarotra toa tatamo
  • Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
  • Mangalatra an-tsena ka mihaiky ny ambanilanitra.
  • Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny ,tsy mahay manantsiny.
  • Vary vokatr'ibetsimitatatra ,ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
  • Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
  • Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
  • Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
  • Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha
  • Aza be siasia toy ny amalona andrano.
  • Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
  • Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
  • Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
  • Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
  • Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
  • Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
  • Ilatsahan'ny varatra am-pangerena, sady maty no mihoson-tay
  • Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
  • Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
  • Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
  • Ny halavoana tsy maha lehibe
  • Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
  • Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
  • Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
  • aza manao solafaka andro mitsidika

Ohabolana Fanambadiana

  • Mifosa tena toy ny mifosa vady
  • Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
  • Ny anambadian-kiadanana , ny iterahan-ko sambatra.
  • Ny anambadian-kiterahana , ny iterahan-ko dimby.
  • Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra .
  • Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy , vao tsy ialàn-kasokasoka , tonta tsy ialàn-dromoromo .
  • Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
  • Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
  • Maimay hivady ka dodona hisaraka.
  • Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
  • Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
  • Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
  • Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
  • Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, "Tsy omby vilany", omena ny masaka, "sisa tsy lany"
  • tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
  • Fara-vady anadahy
  • Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
  • Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
  • Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
  • Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
  • aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
  • Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
  • Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
  • aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany no ho trany
  • Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
  • tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
  • aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
  • aleo adala tena toy izay adala renianaka
  • aza mitsiriri-bady voky
  • toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
  • manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
  • Ny tokantrano tsy ahahaka.
  • Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
  • Vadin-joky kilalaon-jandry
  • ny anambadi-kiadanana
  • Vady tiana k'aza vambaina
  • Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
  • Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao manaikitra ny tena.
  • Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
  • Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
  • Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
  • Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka ny azony
  • Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.

Ohabolana Teny

  • Ny vava no tsy ato be, ny mamerina azy no tsy laitra
  • Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
  • Aza mindran-tsofina samy akaiky
  • Manan-joky afaka olan-teny , mana-jandry afaka olan'entana .
  • Teny diso tsy mba kabary.
  • Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
  • Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
  • Ny tsongo tsy hita fery no tsy toha
  • Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona
  • Tony aretin'omby ny teny, ka izay mirehodrehoka no hifindrany
  • Ny teny toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina
  • Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
  • Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
  • Ny teny tsara mahamora harena
  • Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
  • Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
  • Raha lava ny ahitra very ny kisoa, ary raha lava ny alahatra very ny soa.
  • Mivoravora ny voadidin'ny antsy noho ny voadidin'ny vava
  • Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany.
  • Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda, ka hatreo no miakatra ihany.
  • Tsy misy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
  • Ny teny toy ny atody ka raha foy dia manana elatra
  • Ny teny toy ny atody, vorivory manan'elatra, ko malemy mahakenda toy ny menaka, ary sarotra atelina tahakin'ny tsingala
  • Aza manao teny tsy loa-body
  • very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
  • ny teny tsy mazava tsy hita fototra
  • Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
  • ...nefa raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario
  • Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny hafa toa nompolesina.
  • Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
  • teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana
  • Ny teny malefaka mahamora harena
  • Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
  • Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
  • Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa
  • Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
  • Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
  • Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
  • Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
  • Tanana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
  • Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
  • Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
  • Tsy misy melo-batana, fa izay melo-bava no meloka
  • Teny tsy azo mampihazohazo
  • Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
  • Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
  • Ny teny malemy mahamora harena
  • Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
  • Ny teny toy ny ketsa ka izay mahalana sosohana
  • Ny teny imaso tsy mba kilema
  • Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
  • mitompo teny fatratra toy ny antsikely be zarana
  • Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
  • Ny tenin'ny mpisampina tsy inoan'ny mpisikina; ny tenin'ny mpijery tsy inoan'ny mpanao; ary ny tenin'ny kamo tsy inoan'ny mazoto.
  • Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
  • Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
  • Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava vany ka na lava aza tsy lany hamamiana.

Ohabolana ANKIZY-TANORA

  • Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara"
  • Manaram-po faha-zaza ka misoron’afo volofotsy.
  • Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina.
  • Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina.
  • Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy
  • Manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo.
  • Aza manarampo hoatry ny kary an’efitra.
  • Zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
  • Ankizy nilaozan-tsakaiza, milalao vovoka irery
  • Ny zanaka toy ny tanan'akanjo, atsipy ao andamosina, asavily ao andamosina ihany.
  • Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vorodamba rehefa antitra.
  • Toy ny voatavo tsy mifandraka fa zazabodo.
  • Toy ny fanahin-jaza manjazana.
  • Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova.
  • Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
  • Toy ny tovolahy mahita fotsimbary ka arotsahy arotsahy ihany.
  • Tovolahy tsy mahalala ho an’ny tena, sakafon’ny alika gaigy
  • Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita.
  • Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza.
  • Ny ankizy no manao tsingeringerina ka ny lehibe no fanina
  • Valalanamboa : tanora mitsipaka, antitra mitsipika
  • Sandry be tsy hery, fahatanorana tsy ody faty.
  • Tanora be sondrotr’aina, ka ho faty alohan’ny marary.
  • Aza manao tovolahy tia loka : ny andro iainana mbola ho lava, fa ny tovon-karena ho lany.
  • Ny tanora vao mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
  • Tsy avelan’ny ela tsy ho antitra.
  • Lehibe vao miana-poto-tsarika ka sahirana.
  • Ny sola malahelo tsy mba rangahy.
  • Aza mitaitay ho sola, fa vato no lolohavina.
  • Iri-mahory toy ny volo fotsy(ho tratra antitra).
  • Mandroaroa toy ny mason’antitra.
  • Ela nanidinana andriam-balala, ka tapaka ny elany.
  • Toy ny fanoto, antitra vao mihakely.
  • Tahaka ny antitra mitomany, maika loza fa miketrona manaratsy tena.
  • Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia.
  • Sifotra antitra aho ka tsy maha-reny vorona anao.
  • Toy ny vero, tsara faniry fa ratsy antitra.
  • Tsy misy hianteherana toy ny bozaka : tanora sakafon’ny omby ; antitra sakafom-patana.
  • Ny ony miteraka mamba, ny rano mitera ka ny ony.
  • Za-drano toa amalon’antitra.
  • Rangahibe tsy tia harahara, ary rafotsibe tsy tia vodi-tenona ka misaraha trano fandrao misy very.
  • Rangahibe no tratra andro, rafotsibe no manadala azy.
  • Sahala amin’ny sahona, mipetraka toa lahy an titra mitsambikina toa tovolahy
  • Ny tanora valaka tsy mahaleo ny antitr’Imamo
  • Lahy antitra manao lelik’asa ka mosellan hafetseny.
  • Rangahy mianala, fanoto no zaka; ka maty antoka ny vatsiny
  • Aza manao toto vomangan-drangahibe, ka ny malemy ihany no velezina.
  • Aza manao lahy antitra mahazo lamokan’atody , ka tsy mitodi-jafikely intsony.
  • Vavianti-doza, tsy mamindrafo ny lasa
  • « laza loatra » hoy Randranobe notsidihim-bositra
  • Rafotsibe miandry ombilahy, ka manaraka ambokony.
  • Rafotsibe nita rano, ka « izay hahasoa ataovin’Andriamanitra na ho rendrika na ho tafita ».
  • Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te-hierika vodi-kofafa.
  • Rafotsibe leomboanjo ka tain’ondry avy no andosirany
  • Rafotsibe manenji-janantsitsina: « izaho ety izy ery"
  • Ny ray no mihosom-potaka ka ny zanany no vazina
  • Maromaroa ny fiteraka fa tsy ilaozan'izay hilaozan'izay ho tsara

Ohabolana Afo

  • Ny mpanjaka toy ny afo, raha alavirina mangatsiaka, raha atonina mahamay
  • Manaram-po fahazaza ka misoron’afo volofotsy
  • Afo lavitra tsy azo amindroana
  • Afo ririnina, ilefàna mangatsiaka, atonina mahamay
  • Nahoana no ho mpanefy ka matahotra afo!!
  • Aza mila voatsiary, toy ny maka afo amin’ny maty
  • Raha miroborobo ny afo, miara-mamindro izy rehetra, fa ny tompon-trano ihany no manila ny lanenona.
  • Soron’afon’adala, ny aloha tsy levona, ny aoriana asisika ihany
  • Aza misisika ho may toy ny fisoitr’afo
  • Tsy mba afo handoro fa ho masoandro fe hanahazana
  • Afo aman-drano, sady sakaiza no fahavalo
  • Afo tsy mandika bozaka (na bokarefo)
  • Andro hamaizan’ny trano dia manao afo am-bilany kely, fa ny ampitso manao afom-borodamba
  • Main’ny afo natsangany
  • Aza atao toy ny afo-mololo, ka indray miredaka dia izay
  • Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
  • Aza manao afon’analakely ka ambony vao midonaka
  • Miangatra kosa ny velona raha ny maty no anateran’afo
  • Ivahiny ankava-malahelo, ka soron’afo no hita
  • Maty mangina toa otrikafo
  • Tongotry ny afo , ny rivotra, vavan’ny adala ny hendry
  • Izay iray donak’afo, iray dinidinika
  • Mitono manao matamata, mahandro manao lozodozotra; ny atao ihany ity no nankarary am-bavafo.
  • Efa ho lava toy ny afon’Atongona
  • Mantsafa mahita, toy ny mpaka afo
  • Maka kitay manana ankizy, misorona afo mananjiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava
  • Afo lavitra tsy azo amindroana

Ohabolana Ady

  • Ny mpiady tsy misy mpampionona , dia ho tonga any antaninarivo
  • Ny ariary zato iombonany, ka kisoa iray no iadiana
  • Ady tsy tratra, maha-rangahy
  • Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny sisiny
  • Mihinjihinjy toy ny adin’angely
  • Miady hariva tsara maraina, miady maraina tsara hariva toy ny mpivady
  • Ady volom-balala, ka izay tia azy no ditsoka
  • Ady lova, ady fananana; fa ny fihavanana tsy azo hadinoina
  • Lohalika sy laferana, izay miatraika no vasoka, izay mandefitra no mandina
  • Fo tezitra tsy ananan-drariny
  • Lolom-pon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
  • Tia ady ka lany harena
  • Mifankatia tsy mifamarafara, ady no iafarany
  • Toy ny adin’ny mpivady, ka ny tokoam-bary aza iadiana
  • Mitranga matetika hoatry ny fifandiran’ny mpivady (adin’ny mpivady)
  • Ny hohavanina tsy misy, fa ny iadiana no betsaka
  • Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra fa tsy salaka ho tapaka, tsy lamba ho rovitra
  • Ny fo, rano mafana, ny tendrom-po tsy mba namana
  • Nify sy ny molotra, izay mahery no afaka aloha
  • Adin’ombalahin’ny mpianakavy, ny mandresy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina
  • Aleo miady toy izay manao sesimonina irery any Ankaratra ( na mankany Ankaratra tsy misy olona)
  • Mpifakantia mifanaratsy, izay mahavita be no manenina
  • Teny malemy mahamora fihavanana
  • Tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina
  • Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany
  • Izay tsy miady olom-bodo, izay toro fo mpamosavy
  • Adin-tsikidin-drano, misaraka tsy misy maratra
  • Adin’akoho votrom-bato: ny resy torotoro, ny maharesy disadisaka
  • Ady amin’olotiana, alo maratrany toa izay maharatra azy
  • Tahaka ny jiafotsy, vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy ilaoza-dromoromo.
  • Teny imaso tsy mba kilema
  • Ady tsy ahi-mahatratra
  • Hiady ve ka hifamahan-tantely
  • Toy ny adin-kisoa ka vitan’Anjonanjona ihany
  • Aza manao ady atsanga
  • Ny ady tsy tra-mahavery vava
  • Mahasalasala hoatry ny adin’ondrilahy, akorain-tsy mifampilanja, avela ihany mifamaky loha.
  • Aza atao verin’adin-dreni-omby ny adin’ombalahy ( midika hoe aleo mijery adin’ombalahy toa izay adin’ombivavy)
  • Lany hatoka toy ny akoholahy maty an’ady
  • Ady misy hena ka izay mamoy no liana
  • Aza manao ady amparimbona
  • Atody tsy miady amam-bato
  • Tsy miady sahala, ka hiady hisy resy
  • Hendry miady amin’adala ka havizanana no hita
  • Vava soa sakafo , vava ratsy adidy
  • Aoka atao resaka, fa mandany fananana raha atao ady
  • Hala-boatavo no niadiana , ka tendry mosavy no hita
  • Mitsako tsy re ka kenda vao domy aho ranaotra

Ohabolana Aina

  • Ny aina tsy mifametra
  • Voalavo mifanena an-ketona ka samy miaro ny ainy
  • Taon-jezika an-kady ka aina no fetra
  • Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina
  • Ny aina aloka aman-javona mihelina dia lasa
  • Ny arivo lahy tsy maty indray andro
  • Ny tany vadiben-janahary, mihary ny velona, manotrona ny maty
  • Mahery tsy maody tsy ela velona
  • Manao vy very ny ainy
  • Mamy ny miaina
  • Ny aina aloka aman-javona
  • Ny aina tsy afaky ny tompony
  • Ny aina fofonahandro, raha sokafana dia lasa
  • Ny aina hiala, tsy menamaso
  • Ranomaso tsy mahatana aina
  • Ny aina toy ny fanjozoro, izay mahapandopando no manana ny mateza
  • Ny aina toy ny Tavim-bilany, tsy fantatra izay hahavakiany , na andro na ho alina

Ohabolana Samihafa

  • Aza kely faka kitay ka be bahana
  • Aleo maty olo-malaina , toy izay vaky vilany an’efitra
  • Manantena ny efa azo angaha, no tsy mandray ravin-dena?
  • Toetran’ilay malaina: asaina miasa lohataona, milaza fa vaky lafika. Asaina manosy fahavaratra, milaza mararin’ny tazo. Avela ao an-tanana: midonendrina tsy maha-masa-kanina
  • Atoandro faka ronono ilaiaka, ka nilaozan’ny omby nihahaka
  • Ny kamo ihany no sasatra
  • Raha vazo mitovy ihany, aleo tsy mita rano
  • Teny arivo, zato kabary : faran’ny teny ifanatrehana
  • Amalona tsy azo hoatry ny fe, bonga tsy hita hoatry ny loza
  • Ratsy tokoa ny lainga fa ny mpandainga aza tsy tia azy
  • Toy ny parakin’Andriatany, misy ihany fa ampandozaina
  • Angolangolako eo imasonao, fa raha takona anao aho mijaly
  • Aza ny atsanga tsy aman’orana no alahatra
  • Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toa izay mifanena amin’ny mpandainga
  • Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po fa tsy mahavita taona
  • Ny lainga donga takona ka mahia mifanatrika
  • Ny lainga toy ny fasika, mora ama-mandry, fa sarotra ama-mifoha
  • Ny lainga toy ny nify lanin’ny olitra, ka sarotra esorina no tsy mahasoa ny tena
  • Manatsafa mahita, toy ny mpaka afo
  • Omena mody voky nefa mangalam-pihinana ihany
  • Toy ny zozoro, mahitsy ihany fa telo rirana
  • Madera raviny fa poa-tahony
  • Lasan-ko raviny ka tsy misy voany
  • Madio manatrika, vazo miamboho toa ravitsara
  • Ny anarana mampody mandry fa ny terehy mampitampody
  • Aza manao toy ny sotrobe lava tango , mahay atsy mahay aroa
  • Manao toy ny harefo, mahitsy ivelany fa milefitra ankibony
  • Aza lasan-ko raviny: raviny ihany fa tsy misy voany
  • Aza manolo-bato mafana
  • Aza milevin-ko fondrana rehefa mivelatra ho ravina
  • Aza madio fitafiana, ka mitsindroka am-pihinanana hoatry ny vorompotsy
  • Aza mihaingo ambonin’ny tsikoko
  • Aza manao siaka mampandry adrisa
  • Aza manao toy ny voavahy, tsy mahajoro tena fa misarangotra amin’ny sasany
  • Aza manao fy ny voalavo, fy ny trandraka
  • aza manao bolokilahy homam-boatseva, fy ny atsy fy ny aroa
  • Aza manao tantanandroa lela
  • Aza manao longoa mitoto bozaka
  • Aza mody torana rehefa te-hihinana ny kitozan’ny marary
  • Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho
  • Aza miovaova, anio ondry bodo, rahampitso ho mena loha
  • Madio imaso toy ny tandrok’ondry
  • Nomem-bava tsy ratsy ka ao an-trano no asian-dratsy
  • Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa miletra ny masiso be herinandro
  • Aza manao olon-kendry raha jerena : tantely fiandry andriana, nefa nony dinihina : fanambom-bary fiandry alika
  • Aza manao toy ny voara (votry) : jerena ivelany toa mandina, rehefa verahina fonenam-bitsika
  • Aleo manda tsy handeha, toy izay manaiky tsy ho lasa
  • Fanirim-bomanga, vao kely dia miolaka
  • Aza manao “tsy miady tsy miady , nefa ny kobay ankelika ihany”
  • Faran’ny omby hena, faran’ny teny ifanatrehana
  • Ny lela efa tama-mitsilany tsy azo ahohoka intsony
  • Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga
  • Ny lainga mampisolantsolana andro ilazana , fa mampivalomainty andro ifanatrehana
  • Aza manolo-bato mafana
  • Alaviro ny joko tsoriaka mahasambo-kary
  • Aza madio fitafiana fa mitsindroka am-pihinanana toa vorompotsy
  • Aza manao zatovon’ny any sady zazalahin’ny aty
  • Aza tsara vava ririnina toy ny mpamboly voalobok’Ambohidratrimo
  • Aza manao kobaka ambava sy volana antenda, ka hatreo no miakatra ihany
  • Aza misomidika ambony toa menaka: fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
  • Aoka tsy hanome toky ankamorana; nefa hanary ankasarotana
  • Aty milelaka lelafo, any mamaky ampinga
  • Longo (namana) manambaka lefona
  • Aza manao takorobabon’akoho, ny iray fisiam-bary, ny iray fisian’akotry
  • Ny iray tambatambazan-kambakaina; ny iray mody tsy tia-kolalaina
  • Mivadika imaso toa tandrok’osy
  • Omaly ianao misolanga ho tandrony, ary anio ianao misafelika ho sofiny
  • Toy ny rano antanim-bato, tsinjovina manelatra ihany , fa nony tovozina tsy ahazahoana
  • Ny alika aza tsy azo fitahina, maika ny olona!!
  • Ny teny marina hoatry ny fia-pary lava vany, na lava aza tsy lany hamamiana
  • Arivo tatatra, zato renirano, fa ny faran’ny rano anie ho Ikopa ihany
  • Raofy toy ny lainga, fa raha feno azy raraka
  • Lainga marivo tototra, fehezin’ny akoho tokan’anaka
  • Tongo-dava tsy ahitan-kanina
  • Be faniry nefa kely fila, ny vary aloha tsy ataon’ny kamo
  • Ny manao no tsy ambinina hono : ampisambory fa Havana ory, fa raha miraviravy Tanana tsy miasa : aleo mivarina an-kady
  • Ny zoto ahandroana, ny lainga itonoana
  • Raha maharary aza ny Tanana, jereo aloha ny kibo tsy misy hanina
  • Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
  • Aza manantena taintsokina ka tsy mety mihaza
  • Manantena lambo miakatra ve ka tsy mety midina an’ala?

Ohabolana Mampihomehy

  • Mihitatra sahala amin'ny sima misioka
  • Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no maheno aloha
  • Bingo manao matso
  • Mifanaratsy an-toerana toy ny boka mitanin'andro
  • Mihena an toerana toa fen'antitra
  • Toy ny njola mitaky trosa, vao eny am bavahady dia efa mangarika
  • Ikala kely mizaha lanonana, efa mody vao hitan'ny olona
  • Ikala adala nomen dasy, herin'andro mitsinjaka ihany
  • Rehefa afaka ny tsiny (hoy ny mpikabary) dia maivamaivana ny vava hoy ilay be molotra avy mandrora paraky
  • Tsy mba voaloboka antitra izahay ka hiketrona am pijoroana fa tsaramasom bazaha ka tsy midola raha tsy eny an-davarangana (hoy ny olona mirehareha)
  • Mianjonanjona ohatran'ny Sihanaka voadakan'ny osy
  • Miteronterona toy ny Betsileo vita batisa
  • Betsimisaraka mitaingina bicyclette, tsy mijanona raha tsy any an dranomasina
  • Tsy adalan dRakamisy (anarana betsileo) no tsy nanambadiany Ambaniandro
  • Betsileo tsa te (tia) hena?
  • Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga
  • Zazavavy soa petaka orona, voatondro iray no tsininy
  • Mitsako tsy re ka kenda vao "dony aho ranotra” !
  • Ny maso no tia jerijery, ka ny fo no mahozo raki-dratsy
  • Ny adalan'ny hafa tondrointanana fany an'ny tena afenimpenina.
  • Toy ny tongotra vakivaky, sady marary no mahamenatra
  • Tsy tia,tsy tia ka tsy manidy trano !
  • Arahabao ihany izay hita, fa tsy fantatra izay ho rafozana!
  • Bangaomen-taolana, ny tanana mandray, ny fo mieritreritra!
  • Raha ny kapoka no maha-hendry, dia ny omby no hendry aloha !
  • Miavontsy feno toy ny maloto entindriaka
  • Mitsikitsiky na mihomehy toa ny banga
  • Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony

About

Mpikabary \ Ohabolana

https://club-mg.github.io/ohabolana/